Webradio

MANERINERINA - MAHAJANGA : Jiolahy miisa dimy nanafika fiara mpitatitr’olona avy any Antsohihy

Jiolahy miisa dimy no nanafika ity fiara mpitatitra avy any Antsohihy ho aty Mahajanga. 20 juin 2018

Nisakafo tao Port-bergé izy ireo. Tsy feno ilay fiara ka nandray olona roa tao Mampikony. Rehefa nandalo teo Antsasamanera Manerinerina dia tsy nosakanan’ny zandary misahana ny filaminana ity fiara ity. Rehefa tonga tamin’ny tetezana izy ireo dia nisy afo teo ampovoan’ny tetezana. 

Nandeha moramora ilay mpamily ary manatona azy ireo olon-dratsy. Efa mailo ilay mpamily ka nihodina, niverina avy hatrany. Nitifitra ireo jiolahy nefa tsy nisy voa ireo tao anaty fiara. Lasa namonjy ilay sakana nataon’ny polisy. Rehefa tonga teny anefa izy ireo dia tsy teo intsony ireo polisy ireo. Nijanona teo ilay mpamily sy ny mpandehany ary nisy ny nivoaka ny fiarakodia. 

Nanaraka azy avy any aoriana anefa ireo jiolahy, ka avy hatrany dia namelona fiara ilay mpamily, niantso ireo mpandeha ary nirifatra nandositra. Tavela teo kosa ireo mpandeha nivoaka tao anaty fiara ka niafina tany anaty ala. Mitaraina ireo mpamily fa isan’andro dia mijanona eo, manakana sy mila vaniny amin’ny entana entin’ny fiara mpitatitra ireo mpitandro filaminana miasa eo. 

Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tamin’ny 11 ora alina dia efa tsy hita ny nalehan’ireo polisy rehefa nisy ny fanafihana. Mitodika manokana any amin’ireo mpitandro filaminana ny kaoperativa sy ny mpamily, satria amin’ny fotoana tena ilàna azy no tsy eo ireto polisy, indrindra ny ao Antsasamanera ka manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izy ireo.

Vanessa


MAINTIRANO
2018-06-23 09:51:27 par

Mitaraina izahay mpanabe aty fa tsy misy mivoaka ny rappel de solde nangatahinay efa ho 1 taona mahery izay

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés