Webradio

RAHARAHA NIZAR PIRBAY : Tsy mbola votsotra, tsy mbola misy fitakiam-bola hatramin’izao

Mbola mistery hatreto ny raharaha Nizar Pirbay. Karana 44 taona mpandraharaha ara-toekarena tompon’ny magazay P. Business Center ao Toamasina.  20 juin 2018

Ny zoma 8 jona izy no nisy naka an-keriny raha hamonjy ny toeram-ponenany tao Salazamay Toamasina. Roa herinandro aty aoriana, dia tsy mbola nahenoam-baovao. Tsy fantatra na maty na velona. Ny angom-baovao voaray ny marainan’ny talata 19 jona, dia milaza fa tsy mbola naharay antso an-tariby avy amin’ ireo mpaka an-keriny mihitsy ny fianakaviany hatramin’izao. Roa herinandro aty aoriana, tsy mbola misy ny fitakiam-bola. Tsy mijanona kosa ny fikarohana fa mitohy hatrany. Mitambatra amin’ny fanaovana fanadihadiana ny zandary sy ny polisy.

Raha ny zava-misy aloha, dia matihanina tanteraka ireo mpaka an-keriny an’i Nizar Pirbay raha mitaha amin’ny efa nisy hatramin’izay na tamin’ny fomba nakana azy teny Salazamay na ny fomba natao nentina nanariana dia an’ireo mpitandro filaminana. Mbola nampiasa vovoka mahatonga ny alika mpitsongo dia tsy afaka hamantatra fofon’olona tao anatin’ny fiara ihany koa ireo mpaka an-keriny, raha ny zavatra hita tamin’ny fotoana nahitana ny fiaran’i Nizar Pirbay teny Mangarano ny marainan’ny sabotsy 9 jona.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés