Webradio

TOERAM-PONENAN’NY MPIANATRA ETO MAHAJANGA : Tapitra omaly ny fe-potoana nomena ny mpitantana

48 ora nanomboka tamin’ny alatsinainy teo ny fe-potoana nomen’ny mpianatra ireo mpitantana ny oniversite hamerenana ireo mpianatra miisa 18 izay tsy mahazo miverina mianatra raha tsy amin’ny herintaona araka ny valin’ny filankevitry handaminana ny tontolon’ny fanabeazana, sy hamahana ny olan’ny trano mahazo azy ireo. 20 juin 2018

Nivoaka ny lisitry ny mpianatra mahazo misitraka ny trano ao amin’ny Campus Ambondrona sy Tsaramandroso saingy maro ireo mpianatra tsy tafiditra ary maro ihany koa ny trano nofoanana tsy azo ipetrahana. Manoloana izany dia mahatsiaro voahitsakitsaka zo sy potika ho avy izy ireo ka manome fe-potoana ireo tompon’andraikitra hamahana ny olana. Tsy hijanona fotsiny izy ireo, araka ny fandrahonan’ireo mpianatra mikambana ao amin’ny Bdeum raha tapitra io fe-potoana io. Manjaka ny jadona amin’ny fizaràna trano, hoy hatrany izy ireo.

Mikasika ny Codis indray, hoy izy ireo dia nilaza ny tompon’ andraikitra fa hamela ireo mpianatra tratry ny Codis hianatra satria tsy misy zavatra tsy azo ifampiresahana sy ifandeferana. Tsy izany anefa no zava-miseho rehefa nivoaka ny valin’ny codis  fa tsy navela hianatra raha tsy amin’ny taona ho avy indray ireo mpianatra.


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés