Efa roa volana izay ny korontana ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Sambava ary tsy mety voavaha ny olana eo amin’ireo mpiasa madinika mitaky ny karamany sy ity Ben’ny tanàna ity. Afak’omaly maraina dia nohidian’ny mpiasa ny varavaran’ny biraon’ny lapan’ny tanàna ary tsy nisy niasa fa nitokona teo ivelany ny rehetra.
Tsy hitsahatra ny hetsika raha tsy voaefa ny karaman’ireo mpiasa madinika. Ankoatra izany dia nampiaka-peo ihany koa izy ireo manoloana ny antsojay ataon’ingahy Ben’ny tanàna satria tapitra namidin’ity farany avokoa ny ankamaroan’ny tany ao an-tampon-tanàna, raha ny vaovao voaray.
Tsy latsaky ny 9 eo ny karazan-tany efa lafon’ny Ben’ny tanàna amin’ny mpandraharaha ka mpanolotsaina kaominaly enina no voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ity farany amin’ny fivarotana ireo tany. Voalaza fa ny zoma teo no voasambotra teny amin’ny biraon’ny Polisy ao an-toerana ny Ben’ny tanànan’i Sambava. Ny fivarotana tany tsy ara-dalàna moa no anton’izay fisamborana izao. Raha tsiahivina dia efa iray volana mahery izay no nitroatra ireo mpiasan’ny kaominina ao Sambava noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny karama taona 2018 ity.
Nilaza ireo mpiasa fa tsy marina ny tsy fananan’ny kaominina vola satria hita fa mampidi-bola be ity kaominina ambonivohitr’i Sambava ity. Miisa 61 eo ireo mpiasa tsy nandray karama ireo ka mitroatra noho izany olana sedrainy izany ireto farany. Voalaza ihany koa fa efa nantsoina tany Antananarivo io Ben’ny tanànan’i Sambava io manoloana ity olana ity ihany saingy hatramin’izao mbola tsy voavaha. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia nandritra ny fandalovan’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany an-toerana tamin’ny herinandro lasa teo no nilazany tamin’io Ben’ny tanàna io mba hamaha haingana io olana mahatonga ny korontana ao Sambava io. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy nanaraka ny baiko azony ihany ity farany, ka izao miafara amin’ny fanakatonan’ny mpiasa ny Lapan’ny tanàna izao.
Pounie