Nitarika izany ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana avy eto Mahajanga, tamin’ny alatsinainy teo. Hampiova ny fiainan’ny mponina eto Boanamary izany, hoy izy. Tsy omby ihany no hovonoina ao fa ny bengy sy ondrikondrika ihany koa. Hisy ny mpitsabo biby hanara-maso ny fahasalaman’ireo biby hovonoina ao, ka tsy hisy intsony famonoana biby tsy salama.
Manomboka izao dia hihinana henam-biby manara-penitra izy ireo. Isaky ny tsena vao tena mamono omby ny ao Boanamary. Omby miisa enina eo ho eo no vonoina isan-kerinandro. Efa nisy ihany toeram-pamonoana omby taloha fa efa simba, hoy hatrany ny fanazavana. Tato aoriana dia teny ankalamanjana no nanaovana ny famonoana omby. Azo ampiasaina avy hatrany kosa ity fotodrafitrasa vaovao ity ka hanara-penitra amin’izay ny famonoana omby ao Boa namary.
Vanessa