Efa nahiana hampidi-doza ilay tetezana simba ka izao nanapa-kevitra niroso amin’ny fanamboarana azy izao ny tompon’andraikitra. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia haharitra folo andro ny fahatapahana. Na fiarabe na fiara kely, dia tsy misy afaka miampita eo daholo.
Vokany, mifarana hatreo Antaratasy ny dian’ny fiara rehetra na ny avy ao Toamasina izany na ny avy any Analanjirofo. Raikitra noho izany ny famindrana entana sy olona amin’ny fiara eny am-pita na ilay antsoina amin’ny fiteny mahazatra hoe « transbordement ». Mitombo ny saran-dalana. Ho an’ny zotra Toamasina-Fenoarivo Atsinanana izay Ar 10 000 teo aloha, dia lasa Ar 11 000. Dimy arivo ariary avy ao Toamasina mihazo an’Antaratasy, Ar 6 000 kosa avy ao Antaratasy.
Misy akony goavana any amin’ireo distrika ao anatin’ny faritra Analanjirofo izao fanapahana tetezana izao. Ahiana ho vao mainka hisondro-bidy hatrany ny vidin-tsolika. Ho an’i Fenoarivo-Atsinanana manokana, dia efa tafakatra Ar 6 000 ny litatry ny lasantsy amin’izao fotoana izao raha Ar 5 000 kosa ny gazoala. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, dia efa nifampiresaka tamin’ireo teknisianina manamboatra ilay tetezana Antaratasy io izy ka ezahina ho vita alohan’ny 26 jona ny asa fanamboarana mba hahafahan’ny vahoaka miatrika fetim-pirenena am-pilaminana.
Kamy