Voaporofo tamin’ny valan-dresaka nataony afak’omaly tolakandro teny amin’ny foibe misy azy ireo eny Antanimena ny filazany fa “ny hampilamina ny firenena sy ny hirosoana amin’ny fifidianana izao no maha maika. Nodradradradrainy ihany koa fa nisy fifanarahana ara-politika mazava tsara nataon’ireo vondrona maro samihafa toy ny Mapar, Tim ,ny Mmm… rehefa natsangana io governemanta vaovao io ka tsy tokony hilàna vaniny intsony”.
Iaraha-mahita anefa tamin’ity governemanta vaovao ity ny mbola maha maro an’isa ireo mpikambana ao amin’ny Hvm hatrany, izay mahatezitra ireo mpitolona amin’izao fotoana. Raha ny hampandry adrisa ny vahoaka koa ny tiany ahatongavana dia diso hevitra tanteraka satria efa lanin’ireo liam-baovao tsianjery ny paikady ratsy efa nahazatra ny kravaty manga. Milaza moa itsy farany fa vonona hanohana ny solontenan’ny antoko Hvm mandritry ny fifidianana tahaka ny rehetra ihany ka tsy mametraka olana ny amin’ny hafa.
Ny mahagaga dia toa ity rangahy ity no miseho mametraka ny tenany fa matanjaka ary tsy hisy hahatohitra ny antoko misy azy. Betsaka ny miandry ny valim-pifidianana ary tsy hanaiky kosa raha toa tsy mazava sy mangarahara sy madio ny lalao.
Ny Fanoratana