Webradio

ADIN’NY MPIVADY TETSY ANOSIBE ANTANANARIVO : Maty novonoin’ny vadiny ilay ramatoa

Tsy fantatra mazava izay anton’ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta fa dia samy nampiaka-peo avokoa.  30 juin 2018

Tsy taitra noho izany ny manodidina fa noheverin’izy fa toy ny adin’ny mpifankatia ao anaty tokantrano ka dia tsy nisy niraharaha fa samy nanongilan-tsofina fotsiny ihany nihaino ny fifamaliana. Samy niezaka nampiaka-peo ny andaniny sy ankilany ary tsy nisy nanaiky ho resy. Tsy nahazaka ny fomba famalin’ilay ramatoa vadiny ilay rangahy ka nikasi-tanana. 

Tsy nijanona nidaroka ity farany na dia efa niezaka niaro tena aza ilay vehivavy ary torana tsy nahatsiaro tena tampoka ilay ramatoa vokatry ny vono mafy sy ratra nahazo azy. Afaka ora vitsivitsy dia gaga ny maro fa nijanona tampoka ny fifamaliana. Niroso nizaha tao amin’ilay trano nisehoan’ny fifamaliana, ka hatairana ny an’ny rehetra raha vao nahita an’ilay vehivavy nitsirara tamin’ny tany. Noheverina fa torana tsy nahatsiaro tena kay efa tsy mitempo intsony ny fony.

Tezitra sy nalahelo noho izany ny manodidina raha nahare sy nahita ny zava-nitranga ka dia nampandre ny polisy. Afaka ora vitsy tonga izy ireo raha vao naharay ny antso, araka ny loharanom-baovao.

Ny alarobia lasa teo no nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay rangahy nahavan-doza. Nandritra ny famotorana azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary ny ampitso ihany dia natolotra ny Fampanoavana ka nampidirina am-ponja vonjimaika. Lasa fahazaran- dratsy ho an’ny lehilahy sasany tato ho ato ny mikasi-tanana ny vadiny rehefa misy ny olana ao an-tokantrano, ary miafara amin’ny famoizana aina izany. Tsy vao ela akory no nisy ilay vehivavy novonoin’ny vadiny noho ny tsy fananana anaka dia izao sahady indray. 

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés