Webradio

TONTOLON’NY FINOANA : Tontosa omaly ny fanamasinana ny Kardinaly Desiré Tsarahazana

Iray volana mahery taorian’ny nanendren’i Papa François ireo kardinaly 14 mirahalahy no natao ny fanamasinana azy ireo.  30 juin 2018

Tanteraka soa aman-tsara izany, tany amin’ny Bazilikan’i Md Piera tany Roma, omaly zoma 29 jona 2018. Anisan’ireo Kardinaly vaovao ireo ny raiamandreny Desiré Tsarahazana.

Nandritra ny fankalazana ny Eokaristia tao an-toerana no nandraisan’izy ireo ny lamba fotsy vita amin’ny volon’ondry misy sary lakroa, miloko mainty, asalotra ny Papa, ny Kardinaly ary ny Eveka, izay mariky ny maha mpiandry ondry azy ireo. Nambaran’i Kardinaly Desiré Tsarahazana fa fitiavan’i Papa Ray Masina an’i Madagasikara manokana izao fanendrena Kardinaly izao. 

Tsapan’ity raiamandreny eo anivon’ny fiangonana Katolika ity fa na firenena mahantra sy bitika aza i Madagasikara dia nomen’ny Papa lanja manokana ka henin-kaja sady heni-boninahitra, hoy hatrany izy araka ny loharanom-baovao. Marihina fa nisy ny solontenan’ny vahoaka malagasy nanotrona azy tany an-toerana raha tsy hilaza afa-tsy ny avy amin’ny fiombonamben’ny Eveka sy ireo Malagasy monina sy mila ravinahitra any Italy isika.

Ny talata 10 jolay no higadona eto an-tanindrazana ny raiamandreny Kardinaly Désiré Tsarahazana.  Ny alarobia hariva amin’ny 5 ora izy no hitarika ny Fankalazana ny Eokaristia Masina ao amin’ny Ekar Antanimena. Fotoana iarahabana sy andraisan’ny mpino katolika eto amin’ny diosezin’ Antananarivo azy io fotoana io. Aorian’izay dia hitodi-doha any Toamasina, ny alakamisy 12 jolay, ny lahady 15 jolay no handraisan’ny vahoakan’i Toamasina azy, izay diosezy iasany ihany koa. Marihina fa tsy maintsy mbola hitety ireo diosezy rehetra eto Madagasikara ny tenany, ka hoentina eto amin’ny fotoana manaraka ny mahakasika izay fandaharam-potoanany izay.

Raha tsiahivina dia ny alahadin’ny pantekoty, 20 mey 2018 teo no nanendrena ireo kardinaly 14 mirahalahy ireo. Marihina etoana fa mpanolotsain’i Papa izy ireo ary misolotena ny firenena niaviany amin’ny fifandraisana amin’ny any Roma. Feno ny fepetra maha kardinaly ny raiamandreny Desiré Tsarahazana, koa mahafaly anay ekipa eto amin’ny Gazety Ino Vaovao Faritra ny miarahaba ny Fiangonana katolika sy ny vahoaka malagasy manontolo amin’izao fahasoavana lehibe izao. Mirary soa ho an’ity raiamandrenim-piangonana ity koa hahavita be eo amin’ny asa maha mpiandry ondry anirahana azy.

Tahirisoa Y.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés