Mitaky ny fametrahana ny filan-kevitra sosialy sy ekonomika izay voarakitra ao amin’ny lalàmpanorenana faran’ izay haingana ny tenany ary raha sanatria ka tsy tanteraka izany dia hitory ny Filoham-pirenena ry zareo raha ilaina izany, hoy hatrany izy.
« Ny tsy fametrahana ny filan-kevitra sosialy sy ekonomika dia fandikan-dalàna. Tsy afaka hangina fotsiny izahay fiarahamonim-pirenena manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra ary tsy hanaiky hatao fitaovana na hiray tsikombakomba amin’ny tsy fanajana ny demokrasia, ny zon’olombelona, tsy fanaovana ady matotra amin’ny fahantrana, kolikoly raha tsy hiteny afatsy tsy izy reo », hoy Rakotondrazaka Fleurys. « Rehefa miteny ny zavatra tsy mety ny fiarahamonim-pirenena dia tsy tokony hatao hoe mpanohitra fa firenena iombonana i Madagasikara ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’ity farany ny fiarahamonim-pirenena Mi.Ma », hoy hatrany Rakotondrazaka Fleurys.
Sambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara
Araka ny nambara teny am-boalohany dia avy namonjy fivoriana tany New York (Etazonia) izay nanasana azy manokana ny filohan’ny Mi.Ma Diana, Rakotondrazaka Fleurys ny 22 jona teo. Fivoriana izay nokarakarain’ny « Ecosoc » na filan-kevitra sosialy sy ekonomika any Etazonia. Sambany tamin’ny tantaran’ny firenena malagasy, araka ny nambaran-dRakotondrazaka Fleurys no nisy solontena malagasy ao amin’ny « Ecosoc ». Eny fa na ny fanjakana malagasy aza dia tsy mba nahitana solontena tao anatin’ity farany. Reharehan’ny firenena malagasy ny nandraisan-dRakotondrazaka Fleurys anjara tamin’ny fivoriana izay nokarakarain’ny « Ecosoc » tany New York, ny 22 jona teo ka mendrika fisaorana manokana izany. Ny « Ecosoc » araka ny fanazavana nomen-dRakotondrazaka Fleurys dia sehatra iray fakan-kevitry ny fiarahamonim-pirenena rehetra izay hita fa manatanteraka asa hanatratrarana ny ODD (Objectifs de développement durable) izay tanjona napetraky ny firenena mikambana. Ny fiarahamonim-pirenena Mi.Ma Diana izay tarihin-dRakotondrazaka Fleurys hatreto no hitan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny « Ecosoc » fa mahafeno ny fepetra takian’izy ireo eto Madagasikara ka nahazoany ny atao hoe « statut consultatif ».
Mitaky fiaraha-miasa matotra amin’ny fanjakana
Noho izany rehetra izany nilaza Rakotondrazaka Fleurys fa tokony hisy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fiarahamonim-pirenena rehetra tsy an-kanavaka sy ny fanjakana raha tiana ny hampandroso ny firenena. Mitaky ny hanomezana lanja manokana ny fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara i Rakotondrazaka Fleurys. « Na ny Etazonia dia mahatsapa ny lanjan’ny fiarahamonim-pirenena ary misokatra amin’ny firenena hafa. Fa tsy izany kosa ny zava-misy eto amintsika. Tokony mamoaka lalàna na « loi organique » hahafahana manome « statut particulier » ho an’ny fiarahamonim-pirenena ny fanjakana fa tsy hatao fitaovana fotsiny izahay », hoy Rakotondrazaka Fleurys. Andrasana araka izany ny hataon’ny fitondrana manoloana izay voalazan’ity farany.
A.Lepêcheur