Webradio

FIZAHANTANY : « Mahajanga en fête » no hanokafana ny fotoam-pandraisam-bahiny

Feno 15 taona ny nijoroan’ny ofisim-paritry ny fizahantany Boeny amin’ity taona ity. Misy ny hetsika lehibe hatao ka hifanindra an-dalana amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fialan-tsasatra lehibe.  30 juin 2018

" Mahajanga en fete" no anarana nomena ny hetsika, izay hatomboka ny 30 jona izao ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 7 jolay. Niezaka hatrany nampahafantatra an’i Mahajanga sy ny manodidina ary ny faritra Boeny ny ofisim-paritra, ary nitady ny hevitra rehetra hisarihana ireo mpitsidika isan-karazany sy ny hahatamana azy ireo. 

Nahitam-pahombiazana ireo lahasa rehetra nataony, ka na tsy mbola toeram-pitsangantsanganana ankafizin’ny mpizahatany vahiny toy ny any amin’ny toeran-kafa aza i Mahajanga dia anisan’ny fitodiana voalohany kosa raha ho an’ny fitsangantsanganan’ny vahoaka malagasy, indrindra mandritra ny fotoam-pialantsasatra lehibe. Rariny sy hitsiny raha tsy havela handalo fotsiny io tsingerin-taona io, hoy Jeannot Mafilotra, tompon’andraikitra eo aminy fikarakarana. Maro ny hetsika hoenti-manamarika ity andro ity. Ny diabe mamakivaky ny tanàna no hisantarana izany anio sabotsy maraina.

Eo koa ny hazakazaka 5km sy hazakazaka mirefy  10 km, ny hazakazaka 10 km ary ny hazakazaka madinika mirefy 05 km ho an’ny isam-pianakaviana. Ny fiaingana rehetra dia eny amin’ny restaurant la promenade, hihazo ny baobab ary hitohy eny aminy lapan’ny tanàna, ary miverina any amin’ny restaurant la promenade ihany. Hisy ireo loka hozaraina ho an’ireo mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity, hoy indray ramatoa Gladys, izay hiantsoroka ny fandaminana amin’izany. Hatao ny harivan’ io andro sabotsy 30 jona io ihany ao aminy restaurant la promenade ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity « Majunga en fête » ity amin’ilay hetsika antsoina hoe festival " fruits de mer", izay efa fanao isan-taona.

Io moa dia fampahafantaran’ireo trano fisakafoanana maro eto Mahajanga ny fomba fahandro ny hazan-dranomasina, ka afaka mijery sy manandrana avokoa ny rehetra. Ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Boeny na ny Ortb sy ny minisitera mpiahy ary ireo mpiara-miombon’antoka no hanao tan-tsoroka ho fandavorariana ity fankalazana ny faha-15 taonan’ ny Ortb Boeny ity.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés