Webradio

GARE ROUTIERE ANTSIRANANA : Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny mpitandro filaminana

Nandritra ny fandalovan’ny praiminisitra taty Antsiranana andro vitsy lasa izay, dia anisany voaresaka ny mahakasika ny fitaterana.  30 juin 2018

Nambaran’ny lehiben’ ny governemanta tamin’izany ny resaka kolikoly, ka voakasik’ izany ny any amin’ireny lalam-pirenena ireny. Voalazany fa matoa misy ny mandray dia misy ny manome. Voatohintohina araka izany ny mpitandro filaminana ary voatsindry tamin’izany ny tsy tokony hanomezan’ireo mpamily vola amin’ireto farany. 

Araka izany dia hentitra amin’ny fanaraha-maso amin’ireo fiara mivoaka ny toeram-piatsonana ny mpitandro filaminana mba ho ara-dalàna miala avy aty Antsiranana. Tazana izany ny alakamisy teo ary nitohy ny zoma 29 jona. Araka ny voalaza dia hitohy isan’andro izany mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny. Ankoatra izany dia voarara avokoa ireo fiara mpitatitra ivelan’ny toeram-piantsonana ireny, fa tsy maintsy ao anatiny ihany no mijanona ireo fiara. 

Anjaran’ny fiarakaretsaka indray no mitatitra ireo mpandeha mamonjy ny gara. Mitohy araka izany ny fisafoana ataon’ny polisy amin’ireo fiara mbola sahy mandika lalàna.


Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés