Webradio

DISTRIKA IKALAMAVONY : May kila forehitra ny tanànan’i Sakay, fito namoy ny ainy

Mamaivay tanteraka amin’izao fotoana izao ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’Ikalamavony ary saika mitetitety faritra mihitsy ireo mpandroba am-bolana maro izay. 30 juin 2018

Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray tany an-toerana àry fa dahalo am-polony no tonga nanafika tao amin’ny Kaominina Sakay, ny alakamisy alina lasa teo. Vokany, may kila forehitra ny tanàna ka olona miisa fito be izao no indray maty vokatry ny fahamaizana. Etsy andanin’ izay dia tapitra lasan’ ireo dahalo avokoa ny omby an-jatony nandritra io alina io hatrany. 

Niharam-boina tanteraka ny tanàna  ankehitriny ary voalaza ihany koa fa tafatsoaka ireto mpanao ratsy rehefa avy nanao ny nataony. Izany hoe tsy mbola misy jiolahy tratra aloha ao an-toerana mahakasika ity raharaha ity ka manomboka misokatra  ny fikaroham-baovao ataon’ny Borigadin’ny zandary ao Ikalamavony. Manoloana izay tranga izay dia naneho ny heviny ny Filohan’ny antoko Tambatra Pety Rakotoniaina , izay fantatra fa any amin’io Faritra io no fiaviany. Nilaza itsy farany fa “tsy mety ahitam-bahaolana mazava hatramin’izao ny fanafoanana ny asan-dahalo, hany ka lany tamingana ny fananana sy ny harenam-pokonolona, manampy trotraka ny   aina afoy tahaka izao nitranga izao”. 

Manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana  araka izany ny tenany  mba tena handray ny andraikiny marina satria miseho manjakazaka loatra ireo malaso, efa an-taonany maro izay. Raha ny fitarainan’ny mponina natao fanadihadiana indray anefa dia betsaka no milaza fa misy olona eo amin’ny fitondrana ambadiky ny fanafihan-dahalo any amin’iny toerana iny. Miandry fatratra  ny vahaolana avy amin’ny fitondrana araka izany izy ireo ka mangataka ny fidinana ifotony mihitsy mba hanadihady lalina ny tena zava-misy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés