Nanomboka ny herinandro lasa teo iny, taorian’ilay fanafihana nahazo ilay fiara iray avy any Antsohihy hihazo an’i Mahajanga teo amin’ny kilaometatra vitsy tsy hidirana ny distrikan’i Mampikony sy ny hafa nitranga teny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra dia nandray fepetra izy ireo. Tsy misy fiara mahazo mandeha irery, manao lava alina intsony fa tsy maintsy miaraka maromaro.
Faharoa, tokony ho samy malina ny rehetra, indrindra ny mpandeha rehefa mandalo ireo toerana voalaza ho faritra mena ireo, satria samy tompon’andraikitra ny rehetra amin’io trangam-panafihana matetika io, hoy ny avy amin’ny ATT. Fahatelo, efa nasiana zandary manao fisavana sy mivezivezy amin’ireo fiara na koa moto handravana ny tambajotran’ireo jiolahy mpanafika ny fiara eny an-dalàna ireo. Ankoatra izay dia nofenoina peta-drindrina avokoa ny atin’ny fiara rehetra na zotra rezionaly io na koa nasionaly ka misy ny laharana maitso ahafahana miantso tsy andoavam-bola ireo vonjy taitra amin’ireo zandary eny amin’ireo faritra manakaiky ny lalana isian’ny trangam-panafihana.
Fandaminana avy any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety eo amin’ny sehatra nasionaly izao natao izao, ka manomboka eny Talatamaty raha avy any an-drenivohitra ka hatreto Mahajanga ambonivohitra dia azo antsoina avokoa ireo laharana efa mipetaka ao anaty fiara rehetra ireo raha tsy maintsy ilaina izany, hoy i Toky Rahaingo, talen’ny Att eto Mahajanga. Torak’izany koa ho an’ireo zotra rezionaly dia manomboka eny Mampikony any amin’iny lalam-pirenena fahaenina iny ka hatrany Antsiranana dia azo antsoina ireo laharana ireo raha toa ka misy ny fanafihana.
Efa mipetraka tanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny antokon- draharaha misahana ny fitaterana an-tanety eto Mahajanga, satria efa misy koa ny laharana ahafahana miantso ny zandarimariam-pirenena raha sendra ny kolikoly eny an-dalana rehetra eny, laharana maitso 034 14 006 85, sy ny 034 14 014 87. Nirary soa ireo rehetra hampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra ny tompon’ andraikitry ny ATT eto Mahajanga mba ho lavitry ny loza.
Vanessa