Webradio

FAKANA AN-KERINY TAO MALAIMBANDY : Mpampianatra iray sy ny zanany vavy lasan’ny dahalo

Raha somary efa nangingina teo aloha teo ny asan-dahalo sy fakana an-keriny miampy vono olona ataon’ireo mpandroba dia miverina tsy milamina indray ny  tanànan’i Mahabo Distrikan’i Malaimbandy ankehitriny. 9 juillet 2018

Araka ny loharanom-baovao voaray mahakasika ny raharaha dia mpampianatra iray atao hoe ramose Zera  niaraka tamin’ny zanany vavy no nalain’ny dahalo marobe nirongo fitaovam-piadiana tao an-tranony ny sabotsy  alina lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Hatramin’ny omaly alahady dia mbola tsy tafaverina tao an-tokantranony izy mianaka ireo   ary mbola eo am-pikarohana azy ny fianakaviany. 

Matetika dia mitaky volabe amina tapitrisany ireo malaso  izay vao avotsony  ny olona alainy an-keriny, hany ka manahy mafy ny fokonolona. Tranga efa niverimberina aman-taonany maro   tao amin’ity  tanàna ity izany ary  efa fanaon’ireo mpandroba ny mamono avy hatrany raha toa ka tsy mahazo izay tadiaviny izy ireo. Marihina  fa efa mihalany tamingana  ny omby any an-toerana ka ireo olona indray no mitady ho lasibatra sy hanaovan’ireo dahalo fampihorohoroana.  Eo am-panaovana ny fanadihadiana  ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés