Webradio

AMBOHITRARAHABA ANTANANARIVO : Lehilahy iray tsy nahatsiaro tena teo ambodifasana

Tranga hafahafa nahataitra ny mpandalo ny zava-nitranga teny Ambohitrarahaba, eto an-drenivohitra  raha toa ka lehilahy iray no hita nitsirara teo ambodifasana, tsy nisy akanjo ny tapany ambany. 10 juillet 2018

Omaly alahady hatramin’ny sivy ora maraina  dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray teny an-toerana fa mbola tsy tafafoha io rangahy io. Ny ahiahin’ny manodidina manoloana ny zava-misy dia betsaka no nilaza fa karazany ho nosoavalin’ny mpamosavy itsy farany ka izao tsy nahatsiaro tena izao. 

Marihina mantsy fa anisany tanàna malaza ratsy amin’ny fisian’ny mpamosavy  ny tanànan’Ambohitrarahaba hatramin’izay. Voalaza ihany koa fa vao avy nijery baolina ny sabotsy alina io rangahy io no nisy nahita teny amin’ny manodidina saingy talanjona raha nahita azy tsy nahatsiaro tena rehefa maraina ny andro . 

Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly tolakandro dia mbola nanao antso avo  ireo mponina sao nisy mahalala ny fianakaviany.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés