Webradio

FAMONOANA OLONA TANY MITSINJO : Olona iray voasambotry ny mpitandro filaminana

Olona iray no efa voasambotry ny polisy tamin’ny famonoana an’i Rémi sefo sekteran’i Marovato Madirotokana, ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo.  9 juillet 2018

Ny 30 jona teo no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity sefo sektera ity. Ny 2 jolay kosa dia voasambotra ny iray amin’ireo voarohirohy tamin’ny famonoana ity sefo sektera ity.

Tsiahivina moa fa avy nivarotra vary izy no heverina fa nifanehitra tamin’ny dahalo mpangalatr’omby ka dia norasarasain’izy ireo tamin’ny famaky. Ireo zandary any an-toerana no nanao ny fanadihadiana. 

Olona mamy hoditra teo amin’ny fiarahamonina  i Rémi no sady anisan’ireo mpitarika fivavahana ao amin’ny fokontany misy azy ihany koa.  Hatolotra ny fitsarana eto Mahajanga  io jiolahy io.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés