Webradio

JIRAMA SAMBAVA : Hahazo milina vaovao hanafoanana ny delestazy  amin’ny 16 jolay ho avy izao

Mitohy hatrany ny delestazy ao Sambava noho ny fahasimban’ny milina mitsinjara izany amin’ny mpanjifa.  9 juillet 2018

Tsy afa-manoatra araka izany ny vahoaka ao an-toerana ka ny mitaraina ihany no fara-hevitra. Manoloana ny zava-misy dia nanao fanambaràna ny avy amin’ny orinasa Jirama amin’ny fahatongavan’ny milina miisa telo hamahana ny olana misy.

Niala tsiny sady nampahafantatra tamin’ny vahoakan’i Sambava mpampiasa herinaratra izay miaina ao anatin’ny delestazy ankehitriny amin’ny fahazoana milina vaovao ireo tompon’andraikitra. 

Araka ny voalaza dia efa niala any Antananarivo ny zoma 6 jolay teo ireo milina ireo. Izay ezahina ho tonga ao Sambava amin’ny 16 jolay ho avy izao ireo fitaovana vaovao ireo ho solon’izay simba nampanahirana ny mpanjifa. Andrasana araka izany ny fahatongavan’ireo milina ireo, mba hamahana ny olan’ny delestazy mianjady amin’ny vahoakan’i Sambava amin’izao.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés