Webradio

DISTRIKAN’I MAEVATANANA : Ramatoa mipetra-drery notafihan’ ny jiolahy tao an-tranony

Mahazo vahana tanteraka ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Maevatanàna ankehitriny.  11 juillet 2018

Ny sabotsy 7 jolay lasa teo dia tokantrano iray tao Ambalanjanakomby no lasibatry ny fanafihan-jiolahy. Olon-dratsy miisa 7 no tonga nanafika ity ramatoa ity, araka ny loharanom-baovao vaoray avy any an-toerana. Nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ireto farany entiny anaovany ny asa ratsiny. 

Rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo dia nanambana tamin’ny antsy ilay ramatoa sy nandrahona mafy azy mba hamoaka ny vola sy izay zavatra sarobidy ao aminy. Tsy nety kanefa ity farany ka nikotaba mafy ary niantso vonjy. Nisy nahare ny antso vonjy nataony, ka ny manodidina teo akaiky ihany no nampandre ny mpitandro filaminana. Ora vitsy taty aoriana dia nigadona tao an-toerana ireo polisy. Avy hatrany dia nanao fisafoana ny tao an-trano sy ny manodidina rehetra izy ireo saingy efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy raha nahare ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana.

Nandritra ity fanafihana ity dia tsy nisy ny aina nafoy saingy ilay ramatoa kosa dia naratra vokatry ny daroka nahazo azy ary efa nahazo ny fitsaboana  azy tao amin’ny hopitaly iray tao an-toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana ary efa an-dalam- pikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana ankehitriny. Ahiana ho olona avy ao an-tanàna ihany no nahavita nanao izao asa ratsy izao araka ny feo mandeha eo amin’ny manodidina.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés