Webradio

RAHARAHA FAKANA AN-KERINY : Tsy matoky ny mpitandro filaminana ireo teratany karana

Taorian’ilay fakàna an-keriny teratany karana nisesisesy teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra dia nilaza i Moustafa Hiridjee nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety fa tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony izy ireo ny amin’ny fiarovana ny ainy, izay no antony mahatonga azy ireo tsy hampilaza ny polisy rehefa misy tranga tahaka ireny. 11 juillet 2018

Matahotra mafy izy ireo ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha ka dia aleony mifampiraharaha amin’ireo olon-dratsy satria rehefa tonga eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny fitarainana dia tsy ahitan-bokany mihitsy. Na efa fantatr’izy ireo ary izany fa mihatra aman’aina. 

Tsy vao izao anefa no ahitana tranga tahaka izao fa efa mateti-piseho saingy tsy misy fandraisana andraikitra mihitsy ny mahakasika izany. Vokatr’izany rehetra izany dia maro amin’ireo mpandraharaha karana no tsy sahy mampiasa ny volany eto Madagasikara noho ny tsy fandriampahalemana izay mirongatra eto amintsika. Hatramin’izao dia mbola manaraka ny fitsaboana manokana azy i Moustafa Hiridjee taorian’ny famotsoran’ireo jiolahy azy.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés