Webradio

TETIKASA « ANDRAKAKA » ANTSIRANANA : Mitady hanao amboletra i Mahazoasy Freddie

Na tsy azon’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddie ny fanazavana nataon’ny  minisitry ny Fanajariana ny tany, Razanamahasoa Christine mikasika ny «  Zes  » na mody misary adala ka  mitady hanao amboletra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny «  projet Andrakaka  » any Antsiranana ny tenany. 11 juillet 2018

Araka ny loharanom-baovao voaray, dia miezaka  mafy ny ekipan’i Mahazoasy Freddie any an-toerana ny amin’ny tokony hanatanterahana izany tetikasa izany any amin’ny faritra «  Cap Diego  ». Manao izay vitany ihany koa ity filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ity mba handresena lahatra ny minisitra mpiahy ary tsy mitsahatra manaratsy ny solombavambahoaka Jocelyne Maxime, izay nilaza mazava tsara fa tsy manaiky ny famarotana ny Tanindrazana. 

Ny tena marina mitondra ny feon’ny vahoakan’Antsiranana i Jocelyne Maxime mikasika ilay «  projet Andrakaka  ». Tsy misy tsy mahafantatra ny ambadik’ izany tetikasa izany ny mponina any an-toerana ary manaitra ny depiote Jocelyne Maxime izay fantany fa tsy mbola nivadika taminy ary tsy mikasa af-tsy ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo. «  Voaroba ny tanin’olona maro ao Cap Diego.

Halatra tany no ambadik’io tetikasa «  ZES  » io,  hoy ireo olona tafaresaka taminay. Fa inona marina no mampiziriziry an’ingahy Mahazoasy Freddie amin’ny heviny na dia hitany mazava tsara aza fa tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoakan’Antsiranana ny tetikasa arosony  ? Tena marina tsy lanin’ny vavonin’ingahy Mahazoasy Freddie ny solombavambahoaka Jocelyne Maxime. 

Toa hadinon’ingahy Mahazoasy fa ity farany ange ka lanim-bahoaka. Fa izy kosa karazany notendrena rehefa natao ny fomba rehetra nanakanana ny kandidan’ny fikambanana Zanaka avaratra Papa Soulé izay voafidim-bahoaka. Mazava ho azy fa i Mahazoasy Freddie no tao ambadiky ny tetika rehetra nanilihana an’i Papa Soulé. Milaza, ohatra, ingahy Mahazoasy Freddie fa i Jocelyne Maxime hono no mahita tombontsoa amin’ny fampiasana ny volan’ny CLD. Oh leiretsy e e  !

Sao dia mba manao fomban’ny mamo miantso polisy ingahy Mahazoasy Freddie  ? Raha ilaina ho taterinay eto amin’ny manaraka ny fomba nandaniana ny volan’ny CLD voalohany dia ho hita eo iza marina no tena nanodinkodina volam-bahoaka  ? Raha hiverenantsika kosa ny tetikasa «  Andrakaka  » dia tokony hampahafantarin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany Razanamahasoa Christine an’ingahy Mahazoasy Freddie ny tsy fanekena ny famarotana ny tany.


Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés