Webradio

FOFONA MENAKA MAIMBO AO TOAMASINA : Tsy misy hita ireo mpiaro ny tontolo iainana

Efa volana maro izay no miaina ao anatin’ny fofona menaka maimbo ny faritra maro ao Toamasina. 11 juillet 2018

Fofona izay lasa miteraka tsy fahasalamana ho an’ireo olona marefo ara-batana. Tao anatin’ny volana maro izay, dia moana sy marenina ireo tompon’andraiki-panjakana ao Toamasina. Tsy nisy fandraisan’andraikitra. Tsy re feo ihany koa ireo mpiaro ny tontolo iainana. Samy mahalala anefa fa orinasa iray ao Toamasina izay mpanamboatra menaka no ivoahan’io fofona maimbo sy manempotra miparitaka manerana ny faritra maro ao Toamasina io. Ankoatra ny fofona maimbo avoakany, dia efa fantatra hatramin’ny ela fa manary ny fakony ao amin’ny reniranon’i Pangalana io orinasa io.

Gina tsy nahenoam-peo ny teo anivon’ny sampandraharaham-paritra Atsinanana misahana ny tontolo iainana. Ny alatsinainy 9 jolay lasa teo vao mody nikoropaka namoaka fanambaràna fa hanao fitsirihana ara-tontolo iainana any amin’ilay orinasa. Tao anatin’ny pejy facebook Dreef Atsinanana no nanaovan’izy ireo izany fanambaràna izany. Fanambaràna izay tsy naharesy lahatra ny mponina tao Toamasina, satria miendrika mpijoko voajoko. 

Efa nambara mialoha mantsy ny daty sy ny toerana anaovana ny fitsirihana. Tsy adala akory ilay orinasa, tsy mihantsy fa efa niomana aloha, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny alatsinainy 9 jolay tamin’ny 3 ora tolakandro no voalaza fa nanaovana ny fitsirihana. Ny alin’io alatsinainy io anefa dia mbola heno hatrany ilay fofona maimbo. Izany hoe, tsy nisy akory ny fanakatonana vonjimaika an’ilay orinasa.

Ino Vaovao 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés