Webradio

MAHITSY : Tsy maintsy manome herinaratra ampiasain’ny vahoaka ny tozzi energy

Tohodrano mamokatra herinaratra 28 megawatts no amboarin’ny Tozzi energy ao Mahitsy.  11 juillet 2018

Vao herinandro vitsivitsy no notokanana ny tetezana vita amin’ny vy mampitohy ny sisin-drano roa eo Farahantsana.  50km avy eo dia mipaka any Arivonimamo ny lalana. Velona ahiahy ny mponina sao hisy ny fakana an-keriny ny tanin’izy ireo, satria efa malaza fa naka an-keriny tanin’ olona tany amin’ny faritra Ihorombe ny tozzi Green. 

Nidina tany an-toerana ny MDE na Madagascar Developpement Ethique, noho ny fiantsoan’ireo mponina. Tamin’izany no nahitana fa hatreto aloha dia mbola tsy misy tetikasa hafa afa-tsy io fanaovana tohodrano io ihany eo Farahantsana, ataon’ny tozzi energy. Voalaza ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny bokin’andraikitr’izy ireo ny tsy maintsy hanomezana herinaratra ny mponina manodidina. 

Ny ankamaroan’ny herinaratra vokatra kosa dia ampidirina amin’ny zone interconnecté  Antananarivo, izay mamatsy an’Antananarivo sy ny manodidina hatrany Antsirabe. Fambolena sy fiompiana no tena ifotoran’ny mponina any an-toerana. Midika izany fa tena ilain’izy ireo io reniranon’Ikopa izay mandalo eo io. 
Voalaza koa moa fa hisy ny fitazonana ny rano mba ahafahana mampandeha mandavan-taona ny tohodrano, ahafahany mamokatra herinaratra. Ny tsy fantatra kosa dia ny fahafahan’ny mponina mampiasa ny renirano izay hotazomina amin’ny fanondrahana ny voliny.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés