Webradio

MAHAJANGA : Bodoin’olona ny tanin’ny Antenimieran’ny varotra mirefy 90ha mahery

Sahirana ny Antenimieran’ny varotra  Mahajanga ankehitriny fa misy mibodo ny taniny mirefy 90ha mahery eny Antanimalandy avaratra.  11 juillet 2018

Efa nisy ny hetsika natao hanalana ireo mponina eny nefa tsy tafavoaka hatrany. Araka ny fantatra dia olona vitsivitsy no nivarotra tany tsy azy tamin’ireo fokonolona ireo. Ankehitriny dia mahatratra an-jatony maro ireo mponina eny an-toerana. Misy ny enti-manana ham- pandehanana ny Antenimieran’ny varotra Mahajanga, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieran’ny varotra, saingy tsy misy ny entina hanaovana fampiasam-bola. 

Izany indrindra no nahatonga azy ireo hieritreritra ny hivarotra ny tanin’ny Antenimieran’ny varotra amin’ireo fokonolona efa nanorim-ponenana eo ka noresahina nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny varotra Yvette Sylla tao Mahajanga ny herinandro lasa teo. Nanambara kosa ny lefitry ny ben’ny tanàna fa betsaka ny olana amin’ny tany eto Mahajanga, ary atahorana hampirongatra ny fibodoana tanin’olona raha misy ny fanekena ny tsy fanarahan-dalàna. 

Ny minisitry ny varotra kosa dia nanambara fa ilaina ny fitoniana mialohan’ny fifidianana izay hatao ato ho ato, saingy misy ny fepetra tsy maintsy horaisina hampanarahan-dalàna sy ametrahana ny tany tan-dalàna. Tsy maintsy misy lamin’asa hapetraka hamahana ny olan’ny fananan-tany. Hojerena, hoy hatrany izy raha azo vahana mialoha ny fifidianana. 

Nanambara kosa Rajosvah izay mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny ‘Antenimieran’ny varotra Mahajanga’ fa efa vonona ny fokonolona hifampiraharaha amin’ny ‘Antenimieran’ny varotra.


Vanessa 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés