Webradio

FAMATSIANA HERINARATRA : Miaina anaty haizina tanteraka ny ao Ambanja

Tapaka tanteraka ny herinaratra ao an-tampon-tanànan’Ambanja nanomboka tamin’ ny alarobia teo. 13 juillet 2018

Ny antony araka ny loharanom-baovao dia simba ireo milina miisa telo izay mamatsy herinaratra ny tanànan’Ambanja. Araka ny fantatra dia simba ny «  turbo  »-n’iray amin’ireo milina izay manome hery manome hery 700 kw. Ny faharoa kosa izay manome hery 550 kw dia tsy afaka mihodina. Ary ny fahatelo farany izay manome hery 530 kw dia may tanteraka ny «  alternateur  ».

Ao anatin’ny haizina tanteraka araka izany ny tanànan’Ambanja. Izay olona na orinasa manana milina na «  groupe électrogène  » irery no mahazo herinaratra any an-toerana. Miezaka mitady vahaolana ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama sy ny mpitondra fanjakana fa hatramin’ny omaly dia mbola miaina ao anatin’ny haizina ny tanànan’Ambanja.

Tsy azo eritreretina ny voka-dratsy aterak’izay toe-javatra izay eo amin’ny lafiny sosialy, ekonomika fa indrindra eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ka tokony hovahana haingana ity olana herinaratra mianjady amin’ny vahoakan’i Sambirano ity.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés