Webradio

TSY MISY FANAZAVANA : Miverina ny fahatapahan-drano eto Antananarivo

Mitaraina tanteraka ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny amin’ny fahatapahan’ny rano matetika.  13 juillet 2018

Efa ho roa volana mahery izao no nitrangan’izany teto Antananarivo. Isan’ny iharan’izany ny eny Itaosy, Ambohimangakely, Avaradoha. Omaly aza dia ny tontolo andro mihitsy ary maharitra ora maro,  araka ny loharanom-baovao voaray teny amin’ny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina izay nisehoan’izany. 

Amin’ny alina vao afaka manararaotra mameno ny sinibe fitoeran-drano ireo isan-tokantrano satria ny alina vao tena miverina amin’ny laoniny ny fandehanan’ny rano ary tapaka indray manomboka amin’ny roa ora maraina eo. Misy ireo mpanjifa no efa miantso ny eny anivon’ny Jirama saingy tsy nanome fanazavana izy ireo mahakasika izany. 

Hatramin’izao dia mbola tsy misy vahaolana ny amin’ny famahana izany na efa fantatr’izy ireo aza. Hatreto anefa tsy misy fiovany ny sarany izay aloan’ireo mpanjifa isam-bolana na dia eo aza izany fahatapahan-drano izany.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés