Webradio

OLAN’NY OTIV BOENY : Hidina an-dalambe amin’ny 27 jolay ireo mpikambana

Tapi-dalan-kaleha ireo mpikambana miisa 50 000 mahery very vola ao amin’ny OTIV Boeny. Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo ny alarobia teo ka tapaka ny hevitra fa hidina an-dalambe izy ireo ny 27 jolay izao ka haneho ny alahelony manoloana ny “hotel de ville” sy ny prefektiora.  13 juillet 2018

Nosafidiana moa io daty io satria mila fanomanana ny hetsika ahafahan’ ireo mpikambana rehetra any amin’ny tanàna sy distrika ho avy. Tsy eto Mahajanga an-tampon-tanàna ihany mantsy no misy ireo mpikambana ao amin’ny OTIV Boeny fa misy ny any Ambato Boeny, Mitsinjo, Andranofasika, Mahajanga faharoa…. Efa nisy ny fanatonana tompon’andraikitra nataon’izy ireo ka efa nihaona tamin’ ny solombavambahoaka, ben’ny tanàna, préfet, ny minisitry ny tetibola sy ny vola, ny governoran’ny banky foibe hatramin’ny Filoham-pirenena izy ireo fa tsy nahitam-bahaolana matotra hatreto. Orinasa telo ankehitriny no vonona handray an-tanana ny fatiantoka sy fanarenana ity orinasa ity. Fatiantoka izay mahatratra an’arivony tapitrisa ariary maromaro.

Tsiahivina moa fa efa taona maro no nitarazoka ity raharaha ity. Tamin’ny taona 2016 iny dia nasiana fitantanana vonjimaika ny orinasa rehefa nanambara ny mpitantana teo aloha fa tsy misy vola hamerenana ny volan’ ny mpametra-bola intsony ny orinasa. Tsy nanan-kambara ihany koa ireo mpitantana vonjimaika na nisy aza ny fitiliana sy fanamarinana ny kaonty tao amin’ ity orinasa ity. 

Hatreto izany dia tsy fantatra ny tena tompon’andraikitra amin’ny fanjavonan’ ireo volan’ny mpametra-bola. Misy rahateo moa ireo mpindram-bola no nanararaotra ny toe-draharaha ka tsy namerina ny vola nindraminy. Ho hita eo raha hihetsika mialoha na aorian’ny hetsika ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Ny fantatra aloha dia ho avy miaraka amin’ny sarom-bilany sy sotro ary kapila izy ireo.

Vanessa


MAINTIRANO : vacation CEPE .BEPEC
2018-07-16 20:38:23 par

Tsy afam-po amin’ny vacation izay no lazaina fa halo daholo ny tamin’ny 2014-2015-2016-2017. Fa ny tena marina dia ny taona 2017 ihany no azonay aty ary mbola angalana 5000ar /tête zahay tsy maha fa manaraka izay zava misy ka raha izany ihany dia aleo

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés