Webradio

FAMPIATOANA IREO « DINABE » AO SAKARAHA : Mitombo isa ireo namoy ny ainy, manjaka ny halatr’omby

Miaina ao anatin’ny tebiteby amin’ izao fotoana izao ireo mponina ao Sakaraha noho ny tsy fisian’ny filaminana ao an-toerana intsony. 13 juillet 2018

Ny antony dia noho ny fampiantoana ilay dinam-pokonolona  atao hoe “ Dinabe”, izay mpiandraikitra sy mpiambina ny tanàna miaro amin’ny asan-dahalo. Efa ho iray volana mahery izao no voalaza fa tafakatra 12 mahery ny isan’ireo trano voatafika sy halatr’omby  nisesisesy tao amin’ny Kaominina Mahaboboka.

An-jatony ireo omby very, etsy andanin’izay ny famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana ataon’ireo olon-dratsy. Vokany, milavo lefona tanteraka ireo mponina ary miangavy an-tanan-droa mba hamerenana ireo dinabe ireo hitandro ny filaminana sy hiaro ny vahoaka. Raha ny loharanom-baovao mantsy dia tsy mbola fantatra mazava ny tena antony tsy nanekena azy ireo hiambina ny tanàna intsony. 

Manainga ny fanjakana ihany koa izy ireo mba  handefa ireo andiana mpitandro filaminana, miampy ireo helikoptera avy ao Ihosy (Bataillon Interarmes de l’Armée) hampandry tany aloha. Marihina mantsy fa saika ho isak’alina mihitsy ireo mpandroba no tonga mampihorohoro ireo vahoaka. Hany ka ahiana hiafara amin’ny fitsoaham-ponenan’ny fokonolona  izao raha mitohy. Efa diso mihatra aman’aina loatra ny manjo azy ireo noho ny fahalanian’ny omby tsikelikely any an-toerana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés