Webradio

CASH-POINT IRAY TENY 67HA : Efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary mahery norobain’ny jiolahy miisa telo

Raha ny ho an’ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny  dia miha mahazo vahana indray tato ho ato ny fanafihana ireny “cash-point” fandefasana vola ireny, ka vao ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no nitrangan’izany teny  67ha Avaratra Atsinanana. 13 juillet 2018

Araka ny angom-baovao voaray dia   mpandroba mitam-piadiana miisa telo no tonga nanafika ilay tovolahy nitazona ity tsena ity. Vokatry ny hery tsy mitovy sy nitondran’ireto jiolahy zava-maranitra  miampy basy dia tsy afa-nanohitra ity farany. Manoloana izay dia lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola mitentina efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary. Vantany vao vita ny nataon’ireto mpanafika ireto dia lasa nirohotra nitsoaka avy hatrany izy ireo.

Ny nahagaga ny sain’ny maro dia toa tsy nampoizina ny zava-niseho satria  andro vao antoandro sy mbola mazava be dia efa  sahy manao ny ataony izy ireo. Ankoatra izay ny fisian’ny  mpitandro filaminana eo amin’ny boriborintany fahafito, tsy alavitr’ ity tsena voaroba  ity nefa dia ninian’ireo mpangalatra tsy noraharahaina. Taorian’izay tranga izay dia mbola manahy mafy ny tompon’ny tsena sao mbola hiverenany indray. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny fanadihadiana ny raharaha ankehitriny. 

Efa misokatra ihany koa ankehitriny ny fikarohana ireo tambajotra mpanafika itony “cash point” itony satria mihazakazaka loatra ny tranga niseho momba azy ireo tato ho ato. Vao tsy ela akory izao no nahafatesana lehilahy iray, voatifitra teny Andohatapenaka, izay fantatra fa vola amina tapitrisany no lasan’ireo jiolahy. Arahina akaiky ny fahazoam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana mahakasika ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés