Webradio

FIKATSOAN’NY FANABEAZANA : Milaza ny handray andraikitra ny minisitra Horace Gatien

Hatramin’izao dia mbola manjavozavo ny mety ho tohin’ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra.  13 juillet 2018

Efa ho roa volana sy tapany mahery izay no tsy nianatra ireo ankizy manerana ny Nosy, noho ny fitokonan’ireo mpampianatra izay tsy mitsahatra hatramin’izao. Ankehitriny anefa dia nilaza ny minisitry ny fanabeazana  Horace Gatien fa sarotra ifampiraharahana ireo mpanabe. 

Efa nisy ny vahaolana nomena azy ireo amin’ny fanomezana ny ampahany amin’ny karama izay notakian’ireto farany saingy mbola tsy mahafapo azy ireo hatrany izany. Etsy andaniny anefa dia nilaza ireo solontenan’ny mpampinatra fa mbola tsy azo heverina ho valiny mahafapo  ny vahaolana natolotry ny minisitera satria dia hita fa manao tsinontsinona azy ireo ny fanomezana ny ampaham-bola izay hamenoana ny karaman’izy ireo. 

Manoloana izany rehetra izany kanefa dia nilaza ihany ny minisitra fa ahiana ho misy ambadika politika izao fitokonana izao satria dia hita eny amin’ny tokotanin’ny minisitera fa tsy misy mpampianatra intsony ireo manao fitokonana fa efa endrika olona hafa mihitsy. Isan’izany koa ireo fitaovana fanamafisam-peo sy ny fiara izay ampiasain’ireo sendika entina hanaovana tatitra eny an-toerana.

Ahiana ho misy ifandraisany amin’ny hetsik’ireo mpitolona sisa tavela eny amin’ny 13 mey izao fitakian’ny sendikan’ity mpampianatra ity satria tsy fantatra na fifanandrifian- javatra ihany raha nilaza ny depiote Hanitra Razafimanantsoa avy ao amin’ny antoko Tim tamin’ny valandresaka nataony tamin’ireo mpomba azy fa “efa manomboka mihavitsy isika ka tsy tsara raha mandeha irery ka andeha hanampy ireo fitakiana izay ataon’ireo sendika amin’izao”.

Hanomboka handray ny andraikiny araka izany  ny minisitry ny fanabeazana satria dia nambarany hatrany fa efa mihoatra lavitra ny hetsik’ireo mpanabe ary handray ny fepetra manandrify izany ny minisitera raha nilaza ihany koa fa efa nahazo baiko tamin’ny lehibeny hanao izany. Hatreto dia mbola mitohy ny hetsika ataon’ireo mpanabe ary mety tsy hijanona izany raha tsy mahazo valin-teny matotra sy mahafapo amin’ny minisiteran’ny fanabeazana.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés