Webradio

AMPANEFENA- VOHEMAR : Manao fanamparam-pahefana ny kaomandin’ ny borigadin’ny zandarimaria

Iza no miaro ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Ampanefena ? Izay ny fanontaniana apetraky ny maro any an-toerana manoloana ny fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana ataon’ ity tompon’andraikitra ity. 13 juillet 2018

Nilaza ny mpandraharaha maro eo amin’ ny sehatra lavanila any Vohemar fa ity farany dia mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna angamba ka mahatonga azy tsy miraharaha ny atao hoe «  comité de destruction  » na komity misahana ny fanapotehana ny lavanila tsy matoy  rehefa misy ny fahatratrarana ireo mpangalatra lavanila maitso. «  Matetika dia mampiasa olona tsy ao anatin’izany komity izany ity lehiben’ny zandary ity mba hahafahany maka ireny lavanila tratra ireny  », hoy ireo mpandraharaha tafaresaka taminay. 

«  Tsy vitan’izany fa isaky ny mahatratra ireny mpanao asa ratsy mpangalatra lavanila maitso tsy matoy  ireny ny zandary dia ity kaomandin’ny borigady ity no mitady fomba hiarovana ireo mpividy vokatra halatra. Ireo olona voasambotra miaraka amin’ny lavanila maitso fotsiny no aiditra am-ponja fa tsy ireo mpividy entana halatra. Mifampiraharaha miaraka amin’ireto farany izy », hoy hatrany ireto mpandraharaha ireto.  «  Alainy ho azy ireny lavanila tratra ireny. Avy tratran’ny andrimasom-pokonolona teo amin’ny «  barrière  » anelanelan’ny faritra Antohomaro sy Antsarabaria  miaraka amin’ny lavanila ity kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ity,  tamin’ny taon-dasa iny ka voatery namoaka vola mitentina 3 600 000 ariary ny tenany mba tsy handefasana ny raharaha any amin’ ny fitsarana. 

Nandritra ny fotoam-piotazana lavanila 2017 dia noteren’ity tompon’ andraikitra ity hatsofoka miaraka amin’ny vokatry ny orinasa anankiray antsoina hoe «  Groupement des planteurs de vanille de la société Floribis  » ny lavanila milanja 400 kilao teny aminy. Ohatra anankiray hafa  : tratra ambodiomby ny mpangalatra lavanila tsy matoy iray antsoina hoe Severin tany Antsirabe Avaratra. Votsotra tsy natolotra ny Fampanoavana tany Antalaha ilay ranamana rehefa nanome vola 4 tapitrisa ariary an’ity lehiben’ny zandary ao Ampanefena ity.

Maro tsy azo tanisaina ny asa ratsy ataon’ity farany  ; araka ny nambaran’ ireto mpandraharaha ireto. Ny mahagaga ny maro dia nafindra toerana avy hatrany ilay kaompanian’ny zandarimaria ao Vohemar fa ilay nahavita heloka govana kosa mbola mijanona ao amin’ny toerany ihany. Ity kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Ampanefena anefa na eo aza ny fitarainan’ny vahoaka amin’ny fomba fiasany dia tsy misy sahy manala azy. Iza marina no miaro azy  ? Sa mandoa «  ekolazy  » any ho any  ity tomponandraikitra ka afaka manao izay danin’ny kibony any Ampanefena  ?  » Asa aloha…. Fa na izany na tsy dia izay ny zava-misy, araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitra avy eny anivon’ny «  SEG  » mahafantatra izao toe-javatra izao. Andrasana ny mety ho tohin’izao raharaha mamofompofona resaka kolikoly avo lenta izao.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés