Webradio

FITAMPOHA 2018 : Hisokatra amin’ny alatsinainy izao ny varavaran’ny Doany Miarinarivo

Isan’ireo dingana iray tsy maintsy atao sy arahina alohan’ny hanaovana ny Fitampoha ny fanajana azy efa-dahy manan-kasina eny amin’ny Doany Miarinarivo Tsararano Ambony alohan’ny fanokafana varavarana.  13 juillet 2018

Fomba izy io ka ny zoma izao no hanomboka ny lanonana ara-kolotsaina Sakalava hidirana amin’izany. Mazava ho azy fa eny amin’ny saha Ndrasigninto Abattoir no hanaovana ny fanombohana. I Ndrasignito mantsy no tompon’ny varavarana. Misy araka izany ny tsy mandrimandry izay atao eny amin’ny sahany mandritra ny alin’ny zoma. Ny marain’ny sabotsy ny sesy omby izay mbola izy ihany no mitarika ny lanonana miakatra eny amin’ny Doany amin’io fotoana io sy ireo saha mihanjaka tromba izay miaradia aminy. 

Avy eo ny alahady alina tsy mandrimandry izay efa atao eny amin’ny Doany ihany mandra-paharain’ny andro. Alatsinainy miakatra andro ny hanaovana ny fanokafana ny varavaran’ny Doany ka tsy mikatona intsony manomboka eo raha tsy vita ny rebika. Izany hoe izy efa-dahy manankasina indray ny sabotsy aorian’ny fitampoha. Mazava izany izao fa na misy aza ny disadisa amin’ireo mpitantana ny Doany eto Boeny dia tsy mahasakana ny fizotry ny fanomanana Fitampoha amin’ity taona ity.

Papin 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés