Webradio

MAGHAJANGA - SAMPANDRAHARAHAN’NY HETRA : Mitokona ny mpiasa fa misy mpiandry raharaha

Manaraka ny toromarika avy amin’ny sendika foibe ny mpiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra eto Mahajanga renivohitra.  13 juillet 2018

Manaporofo izany ny nahitana ireo sampandraharaha sasany tsy mandray olona mihitsy eny amin’ny bloc administratif fa dia mitokona. Nanambara kosa anefa ny mpitarika sendikaly eto Mahajanga fa misy hatrany ny asa fiandry. 

Natao izany, hoy hatrany ny fanazavana azo avy aminy mba hahafahan’ireo olona mpandoa hetra mahavita ny adidiny. Hatreto aloha tsy mbola niresaka ny amin’ny fotoana mety hifaranany ny fitokonana fa dia miandry izay baiko avy amin’ny sendikaly foibe izy ireo. 

Marihina hatrany fa mbola isan’ireo tsy miasa ihany koa raha ny mpampianatra eto Mahajanga sy ny mpiasa eo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandrasan-davitra ary ny fampiroboroboana ara-kajy mirindra eto amintsika.


Papin  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés