Webradio

NANDRAY NY ANDRAIKINY NY TEO ANIVON’NY ATT : Hisy ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahaefatra

Anisany mahatonga ny tsy fandriampahalemana ny faharatsian’ny lalana mankany amin’ny faritra noho ny fisian’ny dongona mifanakaiky loatra. Maro loatra izy ireo, hoy ny nambaran’ireo mpampiasa ny lalana indrindra amin’ny akatoky ny fialantsasatra izao dia tokony hisy fanamboarana izany.  2 août 2018

Manoloana izany indrindra dia nisy ny fivoriana teo anivon’ny ATT izay notarihin’ny tale jeneraly sy ireo tomponandraikitra maro eo anivon’ny ATT miaraka amin’ireo kaoperativa mpitatitra mba hitadiavana ny vahaolana mahakasika izany. 

Tapaka nandritry ny fivoriana araka izany fa hahena ny fisian’ireo dongona eny amin’ny lalana ary hasina fanamboarana izany mba ho fitsinjovana ireo mpitatitra sy ireo mpandeha. Efa manomboka ihany koa amin’izao fotoana izao ny fijerena sy ny fanamboarana ny lalam-pirenena hafa izay fantatra fa misy izany.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés