Webradio

NIAKA-BIDY 50 ARIARY ISAKY NY LITATRA INDRAY NY SOLIKA : Tsy mety ho marin-toerana intsony

Tsy fantatra  izay tena fomba fikajiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara fa toa manao izay danin’ny kibony ireo mpandraharaha misahana azy itony eto amintsika.  2 août 2018

Raha ny zava-misy omaly indray izao  dia  niakatra ho lasa 4100 ariary raha 4050 ariary ny lasantsy teo aloha, ny gazoala dia lasa 3450 ariary raha 3400 teo aloha ary ny solika fandrehitra 2530 ariary raha 2480 ariary teo aloha. 

Avy hatrany dia sahiran-tsaina ireo mpanjifa satria mody ampidinina kely dia miakatra indray raha vao milamindamina ny hasosoran’ny vahoaka sy ny mpitatitra.  Asa, mety ho maheno ny fampiakarana ny saran-dalan’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra ve dia hanararaotra indray ? Tampotampoka teo, tonga dia niakatra ny vidin-tsolika teny amin’ny mpaninjara. 

Aiza ho aiza ny fandraisan’ny  fanjakana andraikitra manoloana ity  tsy fahamarinan-toeran’ny vidin-tsolika eto amintsika ity  ? Mahagaga anefa fa toa mangina ny fitondram- panjakana.  Matetika dia ireto ofisim-pirenena momba ny solika indray aza no milaza fa miankina amin’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena  hatrany no mampiaka-midina izany eto amintsika. 

Azo itsarana  tsara  ny tsy fahaiza-mitantana  ataon’ireo mpitondra  ankehitriny  ary tsy azo ivalozana   raha ny fidangan’ny vidin-tsolika tsy mety voavaha. Ny tetezamita aza, izay lazaina hatrany fa tsy ara-dalàna  sy tebahana fa mpandrodana fitondrana toa nahavita nametraka mazava ny fetra ambony indrindra  tamin’ny  vidiny zakan’ny mpanjifa  teto Madagasikara. Hanao ahoana indray ny mety ho tohin’izao fiakarana  tampoka izao  ?


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés