Lalam-bahoaka efa ho 30 taona lasa izay vao tonga ity olona milaza ho tompony ity ka nilaza fa nahazo taratasy avy tamin’ny kaominina hamefy ity lalana ity satria mbola ao anatin’ny taniny. Betsaka amin’ireo vahoaka anefa no lasibatra amin’izany satria tsy misy lalana hafa azo andalovan’izy ireo raha hody any amin’ny trano fonenany.
Tany aloha dia efa nifandaminana izy io saingy izao nivadika tampoka izao indray ity olona iray ity. Samy manana tany eo amin’io lalana io avokoa na ity mitady hanampina ity na ihany koa ireo olona efa nahavita trano teo aloha. Nanome iray metatra ny tompona Villa iray teo aloha izay efa nahavita trano mba hataon’ireo mponina lalana. Ankehitriny hamefy ny taniny izy ka ny lalana rehetra mihitsy no tsy maintsy hofefeny araka ny teniny sy ny hita maso teny satria efa niatrana teny ireo mpiasa hiandraikitra ny asa.
Ho an’ireo mponina dia tsotra raha tsy foiny ho azy ireo ny iray metatra nomeny hatramin’izay tsy maninona raha hoesoriny any fa tsy hatramin’ilay iray metatra hafa nomen’olon-kafa no mbola tadiaviny halaina. Tsy manaiky izany fihetsika izany ny mponina ka niantso mpanao gazety sy ny sefo fokontany. Ity farany izay nanizingizina fa tsy azo atao io fanorenana fanapenan-dalana io satria voafaritry ny lalàna ihany koa ny tsy maintsy anomezana lalana ny vahoaka na azy aza ny tany.
Miantso ny tomponandraikitra izay nanome alalana io olona io ny sefo fokontany Mangarivotra mba hiverina amin’izao fanapahan-kevitra izao fa tsy rariny ary miteraka olana eo amin’ny fiarahamonina. Efa natsahatry ny sefo fo kontany ny asa tamin’ny fotoana nandalovanay teny an- toerana.
Papin