Ny alahady lasa teo, nahazo loharanom-baovao ny polisy tao Toamasina fa misy rangahy tsy mazavazava mitondra entana avy any Vatomandry hihazo an’i Toamasina.
Napetraka ny vela-pandrika. Sarona teo amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia
tao Ambolomadinika ilay rangahy. Tratra tao anaty sakaosy nentiny ny taolam-paty milanja 5 kg eo ho eo.
Taolam-paty izay fantatra fa mbola an-dalam-pitadiavana mpividy. Nomarihin’ny Kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys fa mbola misy naman’io rangahy io karohina amin’izao fotoana izao. Fantatra fa avy tany amin’ny fasana ao amin’ny Kaominina Tsarasambo distrikan’i Vatomandry no nakana ireo taolam-paty ireo. Ny alarobia 1 aogositra teo no natolotra ny fampanoavana ny lehilahy ka voatazona vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy miandry ny fitsarana azy.
Kamy