Nosarihin’ilay bajajy mihitsy ilay zaza. Nandositra avy hatrany ny mpamily ka nifanenjehan’ny fokonolona. Rehefa tratra izy dia tsy nanaiky nampiseho ny taratasin’ilay bajajy sy ny fahazoan-dalany mamily tamin’ireo fokonolona ka niantsoana Emmo-reg haka azy teo.
Ny takarivan’ny sabotsy teo no nisian’ny loza nefa hatreto dia mbola tsy fantatra ny tompon’ilay bajajy, hoy ny fianakavian’ilay zaza naratra. Izy ireo ihany moa no nitondra ny zanany hotsaboina eny amin’ny hopitaly PZa Ga Androva mbola eny izy hatramin’izao.
Vanessa