Webradio

PETY RAKOTONIAINA : Mitabataba rehefa tapi-dalan-kaleha, ataon’ny vahoaka fihomehezana sisa

Na efa tsy misy mpihaino sy tsy misy manara-dia mihitsy aza  ny tian’ingahy Pety Rakotoniaina hahatongavana  dia  mbola miseho ho mahavita azy sy tsy lany am-bava  hatrany ralehilahy.   2 août 2018

Midingin-drambo ny hamory vahoaka eny amin’ny kianjan’ny 13 mey  Analakely  eto an-drenivohitra nefa olona miisa telopolo no mihaino raha betsaka, midradradradra amin’ny haino aman-jery  fa  tsy mila fifidianana, ny fanenjehany ny Filohan’ny antoko  Tgv-Mapar Andry Nirina Rajoelina  amin’izao ankatoky ny fifidianana izao manginy fotsiny. 

Toa vakiana fotsiny ity farany fa “mitabataba  sy te halaza rehefa tapi-dalan-kaleha amin’ny fanaovana politika”, hany ka lasa ataon’ny olona fihomehezana fotsiny sisa. Nahoana no tsy tamin’ny andro nanaovan’ireo solombavambahoaka fitakiana  no notanterahina  izay  tiana hatao raha tena sahy mijoro tokoa ? Toa  mampalahelo   sady mahatsikaiky ny  fihetsiny mitabataba nefa manampin-tsofina  ireo  andefasany hafatra. Fongarina avokoa ireo resaka tany aloha ary  vao mainka hitarina mihitsy aza ny fanaratsiana ireo olona izay fantatra fa efa mamim-bahoaka no sady manana tanjona goavana eto amin’ny Firenena. 

Ao anatin’izany ny Filoha Andry Rajoelina, lazaina daholo izao atsanga tsy aman’orana rehetra mahakasika ny tenany  izao mba tsy hitiavan’ny Malagasy azy. Tsy fantatr’i Pety Rakotoniaina  mantsy fa tsy misy miafina amin’ny rehetra  ihany  koa raha ny dosie sy tantaram-piainany  teto amin’ny Firenena na dia miezaka ny manadio tena aza izy amin’izao fotoana izao.

 Tera-kovitra sahady ny amin’ny fitiavan’ny vahoaka an-dRajoelina

Efa betsaka mihitsy amin’izao fotoana izao ireo  tera-kovitra na dia mbola tsy manomboka akory aza ny  fotoan’ny fampielezan-kevitra. Maty  lolo sahady ny an-kabetsahany  ka mandoto rano etsy sy eroa.  Tafiditra ao anatin’izany i Pety Rakotoniaina mitabataba  etsy sy eroa ankehitriny. Noho ny tsy firaharahian’ny olona  ny paikady  tiana hatao dia aleo indray aloha manoso-potaka sy manaratsy ny efa tsara toerana. 

Nametraka fitoria na teny amin’ny Hcc

Eo anatrehan’izay  fandotoana rano izay dia  fantatra tamin’ny loharanom-baovao  ihany fa  tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalàmpanorenana ny lehilahy, miaraka amin ‘ireo mpikambana ao anatin’ny  Hetsika Fanarenana Ifotony ny faran’ny volana Jolay lasa teo iny. Milaza ireto farany fa tsy tokony hilatsaka hofidiana i Andry Nirina Rajoelina  noho ny fananany harena  tsy fanta-piaviana, ireo trano any ivelany sy ny  fanondranana andramena. Notanisainy teo avokoa fa  tsy misy ilàna   ny  filatsahan’ity lehilahy ity  intsony ka izany no tena antony anaovana izao  fitoriana izao.   

Raha ny mpomba ny antoko Tgv manokana  rehefa nandre izany dia efa vonona ary tsy hanaiky velively  ny  nofy antoandron’ireto tsy nahazo seza. Efa iaraha-mahita izao  ireo mpanaraka ny antoko volomboasary fa miandry fifidianana fotsiny sisa. Ireo tsy tia azo isaina amin’ny ratsan-tanana indray ve no  hampihemotra na  dia milaza sy  miseho fa nahatafapetraka fitoriana  ? Miroso hatrany mba hazahoana fahombiazana  ny tanora gasy vonona  ka aleo ny tantara no hitsara, hoy hatrany ny tenin’ny Depiote Naivo Raholdina  rehefa  mandray fitenenana manoloana ny fiainam-pirenena.

Tatianà R.


PETY RAKOTONIAINA
2018-08-04 18:10:49 par bordeaux 33000

MBA menatra ry dahalo a.MBA menatra.tsy fahaizanareo betsileo mitantana no niavian NY fifidianana alohan NY fotoana izao dia zão dia mbola dahalon NY ndra betsileo koa manakorontana.haratsiany i ravalo,haratsiany i rajao , São dia tonga am rajoelina.avoay dossier ndrabetsileo lahy am fito’drana io aloha alohan NY hamoka dossier n i rjoelina e’ataovo Madio mangarahara tsis alabato fifidianana fa 1er tour dia hitanao râ pety fa latsaka io fanjaka NY dahalo voalazanao io ihany. Ento Any am cpi lay fitoriana raha lehilahy man an kambo anao rangah ty a.Zara tsy ho fafitay ekipanareo hvm mahita amaroan olona manotrona an i rajoelina. Tsy mendrika mitondra firenena raha mbola taranaka nareo betsileo dahalo mianakavy .milatsaha ho fidiana raha lehilahy marina ianao râ pety dahalo .fanorenan ifotony no MBA vina ? Atolory i rajao nareo dia ho hitan tsika eo résultat. Zay lay lazako hoe tsis dikany NY cfm .geste foa ery maka karaha solo reraka Navy nanesy aomby mirehareha hoo filohan NY cfm, zao efa miomana hifidy dia fitadiavan ady hifampitory.ataovy faritany mizakatena i Madagascar ity MBA samy miaro NY olona am faritaniny tsirairay fa ataquer n ireto dahalo ireto ndray anareo merina. A tana ao.malahelo olona manotrona an i rajoelina i petim baratra il dia io ni ataony.hareno aloha’ny foto pisainao de Navy eo areno foto pisain i rajaobetsy francmaconerie mangoro karena. Même pas 1ans au pouvoir du nahavidy avion.efa voahadihadinao vé râ pety ? MBA nijerenao vé dossier ni Léry ?art dossier NY râ malala chérie claudine ? Misy divan tanan i râ voasary anime am magouille ni claudine il fa tsy miseho lay voasary e amen

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés