Ny 18 oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany etsy amin’ny lapan’ny tanàna Antananarivo, tahaka ny isan-taona dia ny "World trade center de tana" sy ny federasiona an’ny atletisma no mikarakara ny hetsika, hiara-hiasa amin’ireo mpikarakara ireo ihany koa amin’ity andiany manaraka ity ny avy ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahan-tena, ny avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ekolojia ary ny ala, ny ministeran’ny fizahantany ary ny kaominana Antananrivo renivohitra.
Tsy nisy fiovana ireo taranja hifaninanana amin’ity andiany manaraka ity fa dia ahitana ny Hazakazaka lavitra ezaka 42,195 km (Le Marathon), ny hazakazaka 10 km (Les Foulles ecolo) , ny hazakazaka 10 km natokana manokana ho an’ireo manan-kilema (Handirun) , ny hazakazaka 10km natokana ho an’ireo orinasa te hitondra ny lokony manokana (Le Corporate), ary ny hazakazaka 1,5 km manodidina an’Analakely (Maratoons). Hiara-dalana amin’ny Marathon International de Tanà andiany faha 18 ity ihany koa moa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny "journée verte" izay hanentanana ny olona rehetra tsy hampiasa fiarakodia na moto, na izay fitaterana rehetra mety hanimba ny tontolo iainana.
Raha tsiahivina moa ny tamin’ny taon-dasa dia 2000 teo ny mpandray anjara ary ny 1000 tamin’ireo dia mpiasa tamin’ny orinasa lehibe, mpilatsaka antsitrapo 300 ary 350 ireo mpitandro ny filaminana, ny 20 isanjaton’ny saran’ny fisoratana anarana dia natolotra ny fikambana Akamasoa sy ireo zaza teraka mitondra ny aretina Vih, ny toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy izay niavaka tokoa, ary ny fampisehoana ny "Mascotte Malaky" voalohany, ary indrindra ny fahatongavan’ireo teratany vahiny malaza amin’ny hazakazaka lavitra ezaka avy any Kenya, Afrika atsimo, Etiopianina ary maorisianina.
Nambaran’ny mpikarakara fa mbola ho avy handray anjara indray amin’ity Marathon International de Tana Andiany faha 18 ity. Marihina àry fa efa misokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana ka eny amin’ny ViMa Ankorondrano, Fma stade Alarobia ary eny amin’ny Ortana Antaninarenina ny fisoratana anarana ho an’ireo teratany malagasy sy vahiny te handray anjara amin’ity "Marathon International de Tanà andiany faha-18 ity".
Tahirisoa Y.