Manoloana izay tranga izay dia nisy ny hetsika nataon’ny avy ao amin’ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana mba hamongorana ny mety ho fihanak’izany satria hiteraka tsy fahasalaman’ireo mpanjifa avy hatrany ny fihinanana azy. Raha ny tany amin’ny Faritr’i Toamasina iny no tena nampirongatra azy teo aloha dia mitady hiparitaka manerana ny Nosy raha ny fanadihadiana natao mahakasika ny fandraharahana ara-barotra.
Fantatra tamin’ny angom-baovao voaray àry fa vary nafarana mpandraharaha iray tao Sambava, manodidina ny 200 gony eo no voatery nogiazana sy nopotehina ny faran’ny volana jolay lasa teo iny. Simba tanteraka ary tsy nisy azo noraisina intsony. Izany indrindra no antony nandraisana fepetra satria hanahirana ny hifehy ny fiparitahany raha toa ka efa voatsinjara eny an-tsena.
Hentitra rahateo koa ny fanaraha-maso ireo entana miditra ao amin’ny Faritra Sava raha ny fanampim-panazavana voaray avy tamin’ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Be Christophe ka miezaka hatrany ity farany mba hijery akaiky ny entana mivoaka sy miditra. Nohazavain’ireo tompon’entana tamin’io fotoana io fa “ tsy ireo vary akory no lany daty fa efa ela loatra ny fipetrahany tao anaty sambo, hany ka izao potika tsy hay amidy intsony izao”. Efa fanindroany ihany koa anefa no nisy tranga tahaka izay tamin’ity mpandraharaha ity. Mitohy hatrany araka izany ny fisavana ireo vokatra amidy ao an-toerana mba hanatsarana ny tontolon’ny fandraharana.
Tatianà R.