Webradio

SAROBARATRA TSARATANANA : Vehivavy 20 taona indray no lasan’ireo mpaka an-keriny

Mitohy hatrany ny fakana an-keriny ataon’ireo olon-dratsy ao amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna.  3 août 2018

Tranga fahadimy indray no niseho ny alakamisy faha-26 jolay teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Vehivavy atao hoe Ramely 20 taona no nalain’ireo roa lahy mirongo basy an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimiarina kaominina Sarobaratra. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia mitaky vola 70 tapitrisa ariary ireo jiolahy ireto ka ampiasain’izy ireo atao fitaovana mifandray amin’ny ray aman-drenin’io vehivavy io ireo miaramila telo lahy izay miasa miaro vahoaka ao Tsaratanàna. 

Isan’andro dia mangataka fahana 4000 ariary izy ireo mba hifandraisana amin’ireo miaramila ireo hampitana hafatra any amin’ny havan’ilay vehivavy. Mbola ny tatitra avy any an-toerana no nahalalana fa nianatsimo nihazo ny tanàna atao hoe Betaramahamay no nitondran’ireo olon-dratsy ity olona nalain’izy ireo an-keriny izay mbola tsy tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ity. Marihina fa mihorohoro ireo mponina any an-toerana ankehitriny. Satria mantsy ankoatry ny asan-dahalo amin’ny halatr’omby dia nihetsika indray ity fakana an-keriny ity izay lasa kilalaon’ireo jiolahy any Tsaratanàna indray.

Hita tao Ambohibao Antananarivo ilay tovolahy 17 taona

Tao Ambohibao Antananarivo no nahitana an’ilay tovolahy 17 taona izay nanjavona tsy hita taty Antsiranana nanomboka ny zoma  lasa teo. Ny alarobia voalohan’ny volana aogositra teo tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro no hita nirenireny sady efa reraka i Dehiny Gais Arly. Tsiahivina fa niala ny trano fonenany tao Lazaret avaratra, handeha hamonjy fianarana ao amin’ny oniversite aty Antsiranana ity farany no tsy niverina nody ka nanomboka teo ny tsy nahitana azy. Nanaitra ny reniny izany satria tsy fomba fanaony izany tsy mody an-trano izany.

Nanao fanambaràna teo anivon’ny polisy ny ray aman-dreniny ny zoma 28 jolay. Nanomboka tamin’io andro nanjavonany io dia mbola tsy naharay antso miendrika fitakiana vola ho takalon’aina ireo ray aman-dreniny. Nisy ny fandefasana hafatra fohy tamin’ny findain’ilay very ihany izay milaza ny tsy tokony hampiasa saina ny reniny. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny polisy ka hita tany Ambohibao Antananarivo izao izy. Ny polisy tao an-toerana no nitondra ilay zazalahy tany amin’ny dokotera. Tsy manahy ny fahasalamany. Araka ny vaovao voaray dia tsy tsaroan’ilay tovolahy ny fomba nahatongavany tany Antananarivo. Mampametra-panontaniana ihany ny hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatongavany any amin’ny arivo kilometatra miala ny toerana niaviany  ?

Efa nahitana tranga tahaka izao tao amin’ny parc national Akarana tao Mahamasina Ambilobe taona vitsy lasa izay. Tovovavy mpianatra sendra nanao fitsidihana no nanjavona tsy hita tao anatin’ny 21 andro, ary tao anatin’ny parc tao ihany no nahitana azy sady efa reraka dia reraka. Fa ity farany ity dia teto Antsiranana no nahavery azy ary tany Antananarivo no nahitana azy. Mampiahiahy araka izany ny tranga misy fa ho fantatra mian-dalana eo ny tohiny. Araka ny vaovao voaray hatrany dia  efa nizotra nankany an-drenivohitra hijery sy haka ny zanany ireo ray aman-dreniny. Fakana an-keriny sa inona marina ny zava-miafina  ?

Papin sy Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés