Nisy ny fanatanterahana fikaonan-doha nitadiavana vahaolana tao anatin’ny roa andro. Nanomboka ny 1 aogositra teo ny adihevitra ka nifarana omaly. Tonga niatrika ny lanonam-panokafana ny minisitry ny Fitsarana, Harimisa Noro Vololona sy ny minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur Général de police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe.
Nohamafisin’ny ministry ny Fitsarana tamin’io fotoana io fa “asa masina ny asan’ny Fitsarana ka nanentana ny rehetra izy mba hanao ny asa ao anatin’ny fahatahorana an’ilay Mpahary”. “Andao isika, hiaraka hamongotra ny fitsaram-bahoaka fa samy tomponandraikitra, na izaho na ianao mety hiharan’izany”, hoy hatrany ny teniny. Ezahina araka izany ny fifampitam-baovao haingana sy matotra iarahan’ireo mpitandro filaminana sy ny vahoaka mba hisorohana ny mety hahatonga ny fitsaram-bahoka.
Misy ireo milaza fa efa tsy nahitana ity tranga ity intsony tao an-toerana saingy nanamafy ny Solombavambahaoka voafidy tao an-toerana fa “tsy marina izany ary aoka tsy ho afenina izay tena zava-misy”. Marihina ihany koa mantsy fa vanim-potoanan’ny vokatra lavanila izao ka mila hentitra ny rehetra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.
Tatianà R.