Webradio

HETSIKY NY UCTU : « Hisy akony ratsy amin’ny sosialim-bahoaka ny fiakaran’ny vidin-tsolika »

Nandritra ny fitokonana izay nataon’ny UCTU sy ny MCI ary ireo mpanjifa solika teo anoloan’ny Garan’i Soarano dia nilaza izy ireo fa tsy hijanona raha tsy misy ny vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika.  6 août 2018

Misy voka-dratsy amin’ny fiainam-bahoaka hoy izy ireo ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary ahiana ny mety ho fiakaran’ny vidim-piainana raha toa ka tsy misy fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana. Nilaza ihany koa ireto farany fa mety tsy hisy indray ny fitokonana ataon’ny mpitatitra ary mety hiteraka voka-dratsy izany.

Na efa nisy aza ny fiakarana matetika teo amin’ny vidin-tsolika, hatramin’izao dia mbola tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana ary tsy mieri treritra akory izy ireo amin’ny mety ho voka-dratsy aterak’izany, indrindra fa amin’ny vahoaka malagasy izay efa mijaly.

Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés