Webradio

ADY AMIN’NY FAMOTSIAM-BOLA : Ho tonga hanatanteraka atrikasa ao Toamasina ny Samifin

Hanatanteraka atrikasa ao Toamasina momba ireo fomba fanaon’ireo mpanao famotsiam-bola ny Samifin na Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiambola.  6 août 2018

Raha tsiahivina, dia ny taona 2008 no teraka teto Madagasikara io sampan-draharaha io. 
Madagasikara izay efa firenena isian’ny famotsiam-bola. Ho fanamafisana ny ady atao amin’izany no mahatonga ny Samifin mikarakara izao atrikasa ao Toamasina izao. Atrikasa tanterahina ny 7 sy 8 aogositra ao amin’ny Le Bateau Ivre.

Sokajin’olona maro no fantatra fa handray anjara amin’io atrikasa io
Tsapa tato ho ato fa mikofoka mafy manao fanentanana sy manatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony ny Samifin mba hiadiana amin’ny famotsiam-bola. 

Ho an’ny mpanara-baovao politika, dia tsy mandehandeha ho azy izany fa misy ifandraisany amin’ny ho fiatrehan’i Madagasikara ny fifidianana amin’ity taona ity indrindra amin’ny fanaraha-maso ny vola ampiasain’ny kandida mandritra ny fampielezan-kevitra.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés