Telo lehibe ny tanjona dia ny kolotoraly sy ny fanatanjahantena ary ny sosialim-bahoaka. Antenaina fa hisy akony any amin’ny ara-toekarena izany rehetra izany. Amin’ny andro voalohany dia ny tarika Jaojoby sy Mickael no hanokatra ny lanonana eny amin’ny village. Amin’io rahateo no hanaovana ny lanonana fanokafana rehetra, izay hatomboka amin’ny lalao baolina kitra sy volley eny amin’ny torapasika. Anisany hampiavaka ny amin’ity taona ity dia ny fiarahan’ny ofisim-paritry ny fizahantany amin’ny fikarakarana ka hanaovana ny filatroana Salova ankoatry ny filatroana Big Soma efa mahazatra.
Eo ihany koa ny hazakazaka lehibe izay hifaninananz amin’ny lalantsara eny amin’ny village hatrany. Manginy fotsiny ny fizarana fanampiana amin’ireo toerana tahaka ny fonja, ny zaza mania eny Amborovy sy ny maro hafa. Tsy hadino ny fanambarana hetsika ara-kolotsaina eny amin’ny fokontany Tanambao Sotema sy Ambohimandamina ary ny eny amin’ny fokontany Antanimalandy. Ity hetsika ity dia hetsika natao hisarihana mpizahatany mba ho tonga eto Mahajanga. Marihina fa ny tarika Ambondrona sy La sainte no hanakatona ny hetsika ny alahady faha-19 aogositra izao.
Papin