Webradio

ANTSIRABE : Manangasanga ny fialan’i Paul Razanakolona ao amin’ny antoko Hvm

Nanaitra ireo mpanara-baovao tao an-tampon-tanànan’Antsirabe amin’izao fotoana izao ny fahitana ny ben’ny tanàna Paul Razanakolona ny fanomanana mavitrika ny fikarakarana ny fitsidiham-paritra hotanterahin’i Andry Nirina Rajoelina, amin’ ny sabotsy ho avy izao.  10 août 2018

Itsy farany avokoa no manomana ny fandraisana rehetra ka nampivory  ireo Sefo fokontany sy ny lefiny, ny talata lasa teo ary napetraka tamin’izany ny andraikitra rehetra tokony hosahanina mandritra io fitsidiham-paritra io. Talanjona  ny rehetra satria  toa efa manangasanga sahady  ny  fametraham-pialana  tsy hiray petsapetsa amin’ny Hvm intsony.

Raha ny zava-nisy teo aloha mantsy  dia isan’ireo nivadika tamin’i Andry Rajoelina ny lehilahy raha toa ka  efa nahazo toerana tao anatin’ny fitondrana ary azo lazaina fa te hahazo ranondranony tamin’ireo mpikambana tao amin’ ny Hvm. Ny fanontaniana mipetraka aloha hatreto dia ny hoe  : ”nivadika amin’ny Hvm angaha ny Ben’ny tanànan’Antsirabe ? 

Asa na fahatongavan-tsaina tokoa izao na midika ho inona fa ny zava-niseho aloha hatreto raha ny tatitra avy any an-toerana dia mandray anjara mavitrika amin’ny fandraisana ny Filohan’ny tetezamita teo aloha ny tenany ankehitriny.   Mialoha izao fifidianana izao ihany koa dia hita mibaribary fa mihamaro an’isa hatrany ireo olon’ny Hvm no nitsoaka an-daharana. Asa inona tokoa no tena mety ho antony ? Raha ny fanontaniana ataon’ny mpitazana sy mpandalina ny toe-draharaha momba ny politika eto amintsika.

Ankoatra ireo rehetra ireo dia efa tsinjo sy hita taratra fa  efa sasamiandry ny fandalovan’ity tanora gasy vonona ity ny mponina ao Vakinankaratra  amin’io sabotsy ho avy io ka ny fotoana sisa no andrasana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés