Webradio

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Manohana ny firotsahan-dRajoelina ny antoko Freedom

Ny Kandida Andry Nirina Rajoelina ihany hatreto no kandida Filoham-pirenena hany manana vina mazava  tamin’ireo mpanao politika milaza fa manana drafitra entina hampandrosoana ny Firenena.  10 août 2018

Manoloana izay  dia  fantatra nandritra ny fihaonana lehibe niraisan’ny antoko Freedom tao amin’ny PK0 Soarano, omaly maraina àry fa “ vonona ny hanohana hatramin’ny farany ary resy lahatra amin’ireo vinavinan’asa kasain’i Andry Nirina Rajoelina hampiharina eto amin’ny Firenena ny mpikambana rehetra”. 

Nivoitra tamin’ny  resadresaka nifanaovana tamin’izany ny hoe  : “hanao izay hampandany azy amin’ny herinay manontolo izahay, ary vonona ny hiaro ny safidin’ny vahoaka malagasy raha ohatra ka misy mitady hanodinkodina izany. Tsy fitiavana hampandany fotsiny tsotra izao na koa fitiavan-tena sy fitadivana tombontsoa fa efa hita miharihary ankehitriny ny fananan’ny lehilahy traikefa,  toy ny rafitra rehetra ao anaty Iem”. 

Nohamafisin’ny antoko hatrany fa tsy fanohanana  tsy misy fepetra no omen’ny antoko fa fanohanana arahina fepetra toy ireto voalaza ireto  : Tsy maintsy  raisina  ho lesona hanitsiana ny fomba fitantanana ny zavatra tsy nety rehetra tamin’ny fitondrana nifanesy teo aloha, indrindra fa ity fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ity, Kandida mahay mihaino sy manakaiky  ny vahoaka sy ireo mpiara-mitolona ary  vonona hampandroso ny Firenena no ilaina. 

Azo lazaina aloha araka izany fa tsy diso safidy izy ireo raha toa ka vonona ny hanohana ny antoko miloko volomboasary.

Ankoatra ny fanohanana ny fanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ity anefa dia nilaza kosa izy ireo fa handrotsaka  kandida amin’ny anaran’ny tenany manokana ny antoko freedom manerana ny Nosy amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy hahasakana ny fiaraha-miasa  amin’ ny antoko Mapar anefa izany satria efa azo tsapain-tanana ihany ny fitoviam-pijery entina hanarenana ny Firenena hatramin’izay.

 Ny vaindohan-draharaha aloha hatreto dia ny fifidianana Filoham-pirenena ka tsy azo hozongozonina intsony ireto mpivondrona satria resy lahatra fa i Andry Rajoelina no efa matotra sy voasedra  ary inoan’ny antoko fa tsy hivadika na hampandry adrisa ny vahoaka toy ny ataon’ireo Hvm nampikorosy fahana ny Tanindrazana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés