Webradio

TAO ALASORA : Raim-pianakaviana 33 taona nanolana ny zanany vavy vao 15 taona

Efa misy tsy menatra intsony ireo lehilahy  sasany ankehitriny fa noho ny filana ara-nofo tsy voafehy sy ny fitadiavana fahafinaretana dia tsy vitsy ny mahasahy manolana ny olom-pady na ny menaky ny aina.  10 août 2018

Lehilahy 33 taona  mipetraka eny Alasora no fantatra fa nanolana ny zanany vavy 15 taona. Araka ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana dia tsy tao an-trano izy tamin’ny fotoana nanaovan’ny vadiny ny asa ratsiny io.

Rehefa tonga tao an-trano ilay reniny dia notantarain’ilay zaza taminy antsipiriany avokoa ny fametavetana nataon’ny rainy azy. Tsy nino ity zanany ilay ramatoa fa nanaporofo tamin’ilay vadiny ihany koa. 

Tezitra ity farany rehefa nanontaniana satria nilaza fa tsy nahavita izany ny tenany. Mba hanamarinan’ilay renim-pianakaviana ireo zavatra notantarain’ilay zanany  dia nanapa-kevitra nanatona dokotera izy. Rehefa natao ny fitiliana ilay zaza dia hita tokoa fa efa simba  ilay zaza ary potika tanteraka ny fivaviany vokatry ny fametavetana nataon’ny rainy azy. 

Nitory ny vadiny ilay renim-pianakavina rehefa nahafantatra ny marina rehetra. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa nampidirina am-ponja ilay rangahy ary dia miandry ny fotoana hitsarana azy.


Dinafitia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés