Webradio

HAMAFIN’NY ASAN-JIOLAHY : Hodidiana fanindroany ilay polisy voatsindrona antsy

Trobaka ny kibony, nivoaka ny tsinainy ary nisy trobaka koa ny tsinainy. Izay no nahazo ilay polisy notsindromin’ny jiolahy mpanao vola sandoka antsy ny alakamisy alina teo.  14 août 2018

Efa nodidiana izy ny alin’iny alakamisy iny ihany saingy noho ny ratra nahazo ny tsinainy dia mbola tsy afaka nohidiana tanteraka ny kibony. Araka ny nambaran’ny dokotera dia tsy maintsy averina didiana izy afaka 15 andro, ka efa sitrana ny tsinainy, hamerenana izany anaty kibony sy hanidiana azy amin’izay. 

Mandra-piandry izany dia tsy maintsy mitandrina mafy izy mba tsy hidiran’ny mikraoba ny fery.  

Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nahazo vaovao tany amin’ny tsara sitrapo izy ireo, ny alakamisy teo, ka nandeha tany Tsararano  nisambotra ireo jiolahy. Efa azo ilay olon-dratsy ary nentina tamin’ny bajajy hamonjy ny kaomisaria ao amin’ny boriboritany fahatelo. Nandritra ny nisamborana azy dia nesorin’ilay jiolahy ny akanjony. Rehefa tafiditra tao amin’ny tokotanin’ny kaomisaria izy ireo dia namoaka zava-maranitra ilay jiolahy ka nanindrona tampoka ny iray tamin’ireo polisy, raha iny samy nivoaka ny bajajy iny. 

Mbola nahavita nifampitolona teo izy ireo nisamborana ilay jiolahy tsy handositra. Taorian’izay dia nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Voasambotra ihany moa ity jiolahy ary azo avokoa ny fitaovana nentiny nanaovana vola sandoka sy ny taratasy fanaovany izany. Mbola nisy ihany koa vola sandoka efa vita. Efa atao famotorana izy sy ny namany hafa voasambotra niaraka taminy ka ho hita eo ny tohiny. Marihina moa fa voasazin’ny lalàna famaizana amin’ny asa anterivozona mandra maty ny mpanao vola sandoka.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés